SocialTatitra

Guinée : Iza moa i Grand P ?

I  Moussa Kaba no tena anaran’i Grand P. Teraka tao Sanguiana tao amin’ny faritra Kankan ao Guinée izy. Ny taona lasa teo vao fantatry ny be sy ny maro fa 30 taona ity lehilahy kely ity. Tratra ny aretina “progéria” i Grand P, aretina tsy fahita firy ary miteraka tsy fahatomombanana ara-batana. Manana olon-tiana antsoina hoe Eudoxie Yao « pawa gang”, mpihira ivoirien izy ary anisany ireo mpifankatia be mpanaraka indrindra ao amin’ny tamba-jotra sosialy izy roa.

Mpihira guinéen, mivohy ny gadona Hip hop i Grand P. Nandritra ny fampisehoana nataon’ilay mpanakanto tena tiany Kerfalla Kanté tao Conakry no niaingan’ny asa maha mpanakanto azy. Efa nandray anjara tamin’ny fampisehoana nandritra ny CAN 2019 ihany koa ny tenany.

Milionera i Grand P, ahazoany 20 na 21 tapitrisa isam-bolana eo ny fampisehoana ataony hoy ny mpamokatra azy.

Laisser un commentaire