Dépêches

Levon’ny afo ny tranon’ny filoha lafitry ny fiangonana Loterana Malagasy

04 Aogositra, 10h10. May omaly hariva, 3 aogositra, tokony ho tamin’ny 7 ora, ny trano fonenan’ny filoha lefitra nasionalin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), ny Pastora Velomahatombo, izay sady filohan’ny synodam-paritany ao Menabe. Tsy fantatra mazava izay niandohan’ny afo. Hidina ifotony ho any Morondava hanadihady momba ity tranga ity ny eo anivon’ny foibe FLM. Isan’ireo fotodrafitrasa tranainy indrindra ao Morondava, nitoeran’ny misiona norvezianina tany amin’ny taona 1900 ity trano ity

Laisser un commentaire