Famatsiana : « Vary Tsinjo » 8 300 taonina no andrasana ao amin’ny seranan-tsambo Toamasina
Mitohy ny asa famatsiana ara-tsakafo hataon’ny State procurement of Madagascar (SPM). Araka ny fanambarana nataon’ny SPM ny Alarobia 18 Aogositra 2021, hampiandrasana ny vary 8 300 taonina avy any Inde izay ho tonga ny zoma 20 Aogositra 2021 ary ny 13 100 taonina kosa no hanainga any Inde ny zoma 20 aogositra ihany.
Tamin’ny antson’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hitady vahaolana amin’ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena no nampiditra vary « Vary Tsinjo » 8 000 taonina ny State Procurement of Madagascar (SPM). Ho hamidy 1 500 Ariary ny iray kilao amin’ity vary nafarana ity. Vary izay hamidy eny amin’ny Tsena Mora hita eny anivon’ny fokontany tsirairay ary natao ihany koa hoan’ ireo fianakaviana marefo ara-pivelomana.
Na dia mbola tsy hita mivaingana ary ny fidinan’ireo vidin’entana eny an-tsena, mbola miovaova hatrany izany isaky ny toeram-pivarotana, ny vary fotsy vokarina eto an-toerana dia eo amin’ny 2 100 Ariary sy 2 400 Ariary izany amin’izao fotoana. Marihina fa 42 tapitrisa Ariary ny famatsiam-bola natokana hoan’izao fividianana « Vary mora » izao, raha ny vaovao navoakan’ny Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Ampahatsiahivana fa mieritreritra ny hanafatra siramamy sy lafarinina ihany koa ny SPM.
Mbola hiaina amin’ny fanafarana entana avy ivelany foana isika eto Madagasikara raha izany. Tsy misy vahaolana maharitra ve hanarenana ny toe-karena eto Madagasikara ?
Sitraka Rajaonarivony
