SocialTsidika

Bekomafa-Vondrozo : Mitaraina amin’ny CFM ny fianakavian’ny maty

Miakatra eto an-drenivohitra mitaraina amin’ny manam-pahefana mahefa ny fianankavian’ilay reni-pianankavaina maty, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, tao Bekomafa-Vondrozo, iray volana lasa izay.

Mbola ao anatin’ny horohoro tanteraka ny fianakaviana amin’izao satria mbola tsy nigadra ihany ny nahavanon-doza fa nafindra toerana any Farafangana fotsiny. « Mitaraina amin’ny komity ho an’ny fampihavanam-pirenena izahay ary tonga aty Antananarivo mihitsy satria mbola matahotra noho ny tsy nanagadrana ilay namira antsy ny havany » hoy ireo fianakaviana. Raha tsiahivina, niditra an-keriny tao an-trano ny jiolahy ny 17 jolay 2021 teo hamaly faty ny vadin’ilay maty saingy tsy tao ilay raim-piankaviana ka ilay renim-pianakaviana no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana.

Nanatri-maso ny zava-nisy ny zanak’ilay maty ary izy no nitantara ny zava-nisy tamin’izany. « Mbola manahy ny amin’ny mety hiverenan’ny olon-dratsy izahay satria tsy mbola vita tanteraka ity raharaha ity kosa miantso ny manam-paefana foibe handray ny andraikiny » hoy ireo fokonolona ao an-tanana. « Mampalahelo kosa ny tranga tahaka izao, mila foanana eto amintsika ny ratsy, mila faizina mba tsy hisian’izany intsony, kanefa no toa afaafa-maina tahaka izao fotsiny nefa nahafaty olona » hoy i Mariah, mpanara-baovao. Tokony handraisana vahaolana haingana ity raharaah ity satria tandindomin-doza sy matahotra ny ainy ny fianakaviann’y maty sy ny fokonolona ao an-tanàna. Rahoviana anefa vao ho foana ny ratsy ? Inona no ezaka tena mila atao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire