Minisitra vaovao mety ho voan’ny « limogeage » sahady
Ny Alahady hariva teo raha tsiahivina no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapan’Iavoloha ireo Minisitra vaovao handrafindra indray ny Governemanta Ntsay. Tsy niandry ela fa efa ny Alatsinainy dia samy niditra tamin’ny fifamindram-pahefana ireo Ministra isan-tsokajiny avy.
Nisy ny fifanjevona teo anivon’ny Ministera iray ny voalohan’ny herinandro teo raha iny andeha anao fifamindram-pahefana iny ny Minisitra vaovao sy ny Minisitra teo aloha. Tsy nankatoavina ny fanaovana ny dingan’ny fifamindram-pahefana, ary manoy ny fitantananan-draharaha ihany ho fampandehanana sy tsy ampikatso ny asa eo anivon’ny Ministera sahaniny ny Minisitra teo aloha. « Tsy maintsy ny baiko nihidina avy any ambony no naha tonga izany, ary ny avy ihany ihany no manana fahefana ny andidy sy hanapaka ny mikasina ny fahazoana na tsia manantanteraka ny fifamindram-pahefana »raha nanambara ny heviny mikasika izany ireo mpiasa tao amin’ity Ministera iray ity.
Maro ireo mpampiasa tamban-jotra sosialy no nilaza ny heviny mikasika ity Ministra izay efa diso fantatry ny olom-pirenena tao aorihan’ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy teny Iavoloha fa voatendry ho Minisitra ity farany. « Nisy mihitsy aza ireo sahy nilaza fa « mpisoloky” ary dia namoka ny afera maloto rehetra nataony fahiny »raha ny filazan’i Sonya, mpikirakira ny tamban-jotra serasera sy mpanaraka ny vaovao politika eto amin-tsika.
« Raha tena fitondrana mikatsaka ny fangaraharana tokoa ny fitondrana ankehitriny dia tokony manolo faingana ny Minisitra ary manarina ny tsy mety mba ahafahan’ny vahoaka manana fitokisana indray amin’ireo mpitondra »hoy i Nomena, mpianatra lalana.
Efa malaza amin’ny « fisolokiana sy fivadiam-pitokisana ary fandrahonana an-teny » ary efa naharaisina fitarainana any amin’ny « Tribunal de grande Instance »any ivelany ity Minisitra ity raha ny fanadiadiana natao.
Miteraka resa-be eo anivon’ny tambazotra socialy sy ny fiaraha-monina ny mikasika ny sivana ataon’ny Filoha sy ny Praiminisitra momba an’ireo olona andrafitra ny fitondrana mpanantateraka. Mibaribary tahakan’ny vay ankandrina ankehitriny ny tsy fangaraharana sy ny tsy fahamatorana misy eo anivon’ity fitondrana ity.
Fanja Rakotoarisoa
