Anjozorobe : Renim-pianakaviana maty voaolana
Renim-pianakaviana iray no niharan’ny filan-dratsin’ny jiolahy tao Belavabary Anosikely. Efadahy ireo jiolahy nahavanona izao loza mahatsiravina izao. Naolanan’izy ireo teo imason’ny vadiny ilay vehivavy ary novoina avy hatrany avy eo. Tsara ambina tamin’ny basy ity farany ka tsy afa-nihetsika fa nijery fotsiny ity renin’ny zanany vao roa volana monja ity noviravirain’ireo tsy mataho-tody.
Araka ny fanambaran’ny avy ao amin’ny Imerina central, rehefa vitan’ireo olon-dratsy ny nataon’izy ireo dia notifiriny avy hatrany ilay vehivavy. Noentina teny amin’ny hopitaly ihany izy saingy teny an-dalana, tsy tana intsony ny ainy. Ny teo anivon’ny zandarimaria kosa indray nitatitra fa tsy nikasika na inona tao an-tranon’ireto mpivady ireo jiolahy fa kosa ny findain’ny iray Tanana no noraofin’izy ireo mba tsy afahan’ny fokonolona mampandre ny manam-pahefana. Raha ny fanadihadiana nataon’ireto farany: omby roapolo no nangalarin’izy efadahy tao an-tanana. « Mampalahelo izao zava-misy izao, ary ny fahafantarana ny iray tamin’ireo olon-dratsy no entinay manentana ireo tompon’andraikitra mahefa hijery sy hanaraka ifotony izao vaovao izao » hoy i Faneva, akaikin’ilay vehivavy maty. Raha ny fantatra tokoa mantsy, naman’i Del Kely izay efa rain-dahin’ny jiolahy ny sasany amin’ireto nahavanon-doza ireto.
Mila jerena akaiky ny tranga-javatra tahak’izao. Raha ny tsikaritra rehefa misy fanafihana sy loza tahak’izao, mbola verezin’ireo mpanao ratsy ny mpitandro filaminana eo amin’ny resaka paik’ady sy taktika enti-miady.
Ny mpitandro filaminana anefa no tokony ho lohalaharana amin’ny fametrahana ny planina matipaika toa izao. Tsy ampy fiofanana ve izany ny mpitandro filaminana sa ny paik’adin’izy ireo mihitsy no mila ovaina ?
Tsangy Randriamampianina
