Institut Français de Madagascar : Efa miverina misokatra
Miverina tsikelikely amin’ny mahazatra Institut français de Madgascar, taorian’ny fidiany roa herinandro lasa izay. Efa misokatra amin’ny ora sy fotoana mahazatra ny IFM ankehitriny.
Omena lanja ao anatin’izao fisokafana indray izao, ny asa famoronana ataon’ireo mpanakanto eto an-toerana mandritra ny programa kolotoraly. Hisokatra ny talata 17 Aogositra ihany koa ny tranomboky media (Médiathèque). Hiverina tsikelikely ihany koa ireo hetsika maro samihafa ho hatao taorian’ny fanapahan-kevitry ny Governemanta any amin’ny fahafahan’ny olona mivorivory amin’ny toerana iray. Manome lanja sy vahana ireo mpanakanto eto an-toerana izany.
« Ny fidian’ny sisintany no nahatonga antsika nanova izao fandaharana ny hetsika izao ary hifanaraka amin’ny zava-misy amin’izao fotoana » hoy i Christelle Ramanandraitsiory, tompon’andraikitry ny serasera eo amin’ny Institut français de Madagascar. Noho izany antony izany, no nahatonga ny seho an-tsehatra « Folie sud » an’i Claude Brumachon sy ny fampiratiana sary mifanaraka amin’ity hetsika ity nofohanana. Ny fampisehoana ataon’i Rajery izay tokony ho tanterahina ny 21 Aogositra 2021 ity dia nahemotra ihany koa. Ankilan’izay, misy ny toerana ara-kolotoraly, hahafahan’ireo mpanakanto eto an-toeranan miasa amin’ny tetikasa famoronana ataon’izy ireo. Ny Programa mandritra ity volana Septambra dia hanaraka izany fandaharana izany. Hoy hatrany ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny IFM.
Sitraka Rajaonarivony
