ActualitésTsidika

Mandoto : Fiara vaky kodiarana nahafaty olona

Fiara iray no vaky kodiarana tao Antsahatanteraka Vinany, distrikan’ny Mandoto ny marainan’ny alatsinainy 16 aogositra. Olona roa no namoy ny ainy ary roapolo no naratra.

Nitrangana lozam-pifamoivozana tany amin’ny lalam-pirenena faha-efatra amby telopolo. Sprinter iray mampitohy an’Ambatakazo sy Antsirabe no vaky kodiarana havanana amin’ny ao aoriana. Tsy nahazaka ny fiara ireo kodiarana sisa ka niteraka izao loza izao, nivadibadika avy hatrany ny fiara ka nivarina teny an-kady. Raha ny tatitry ny Zandary tonga teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza, nandeha mafy ny mpamily. Olona roa no maty tsy tra-drano arak’izany, izay zazavavy iraika ambin’ny folo taona sy lehilahy iraika amby efapolo taona. Olona roapolo kosa no naratra mafy.

« Tsy nanaja ny hafainganam-pandeha tokony ho izy ny mpamily » hoy i Fetra anisan’ireo mpandeha tao anatin’ny fiara ity. « Entanina hatrany ny mpampiasa lalana mba hampatomombana tsara ny fiara alohan’ny hitondrana azy : jerena tsara avokoa ny taratasy rehetra mikasika ny fiara, ny fahavononan’ny fiara sy ny momban’ny fiara manontolo mba hisorohana ny loza tahak’izao » hoy kosa ny fanehoan-kevitry ny zandary nanatrika teny an-toerana hatrany.

Raha ny tahan’ny loza-piarakodia eto Madagasikara no asiana maso, efa tafiakatra ambony dia ambony. Tandrevaka ataon’ny mpamily matetika no antony tena mahatonga izany, tsy fanarahan-dalana fa mandeha fa ho any fa ho any fotsiny ihany. Efa nisy hatrany ny fampiofanana sy fanentanana nataon’ny teo anivon’ny Polisim-pirenena fa raha ny hita mbola maro ireo manao an-tsirambina izany. Mila manova fomba fiasa ny mpamily mba tsy hampitombo ny tahan’ny loza mpiseho amin’ny lalana.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire