ActualitésTsidika

Resaka matotra ve ilay « Antares » ?

Nalaza tato ho ato ny resaka « Antares » satria nisy olana teo amin’izany
sehatra iray fampiasana vola izany. « Hanta resy » hoy ny sasany satria misy
milaza fa fisolokiana sy fandemen-tsaina izy ity. « Rehefa manao Zavatra,
indrindra fa fanodinam-bola dia fadio ny mieboebo, fa aleo ny vokany no
hitsara, fadio ny miankin-doha amin’ny fanodinam-bola iray » hoy i Andry,
tanora. « Tsy hoe tapaka akory fa nisy olana kely fotsiny izany fa eo
am-panaboarana ny teknisianina » hoy ny mpikambana iray mampiasa vola ao.
« Maimaika ny gasy ka zara aza mahita mpizara vola na dia hita fa efa
fisolokian aan-kolaka aza, aiza koa no hisy mpampisambo-bola dia izy ihany
no mamerina ny nindramina avy eo nefa izy no mampisambotra fa ianao matory
an-trano fotsiny » hoy i Holy, mpianatra eny Ankatso.

« Izaho tonga dia roboka satria betsaka ny namana tato amin’ny facebook
nizara an’ilay izy, sady aiza koa no ahita ny toy izany » hoy i Larissa . Ny
hatsebohan’ny tava ihany no tokony hihinanana, mila mahatoky tsara isika
vao manao zavatra iray. Hadihadio tsara aloha vao miditra sy manao hetsika
iray sao handiso fanantenana. Hanao ahoana ny mety ho tohiny ? Inona loatra
ny olana ao anatiny ao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire