Lalam-pirenena : Nidina nijery ny fipetrahan’ny orinasa hanao fanamboarana ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa vaventy
Tonga nijery ifotony ireo lalana tokony hamboarina sy ny fipetrahan’ireo orinasa hanatanteraka ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-2, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ny avy eo amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy niaraka tamin’ireo Tale Jeneraly misahana ny Asa Vaventy sy ny Tale Jeneraly misahana ny Agence Routière ary ny Tale-paritry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy misahana ny Faritra Atsinanana.
Orinasa telo no fantatra fa miasa amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-2. Araka ny namabaran’ny Ministera mizara efatra ny asa fanamboarana. Ny ampahany voalohany eo amin’ny PK 140 – PK250 (Brickaville), ny ampahany faharoa miainga eo amin’ny PK250- PK269, ny ampahany fahatelo PK269 –PK304, ny ampahany fahaefatra farany PK304 –PK368. « Efa mipetraka tsara avokoa ny orinasa ary efa saly mikarakara ny fanatanterahana ny asa tandrify azy avy izy ireo » hoy ny nambaran’ny delgasiona avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny asa vaventy. Marihina fa zavadehibe tokoa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-2 izay lalana mampifandray an Antananarivo sy Toamasina, renivohitra ara-ekonomika an’i Madagasikara. Araka ny fanambaran’ireo mpivarotra mitatitra entana amin’ity lalam-pirenena ity, « Mety hisy fiantraikany eo amin’ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ny PPN izao asa fanamboarana izao ».
Etsy andaniny, manantena kosa ireo mpampiasa ny làlana mba ho tena vita tsara ity lalàna izay tena mampikaikaika efa ambolana maro izay. « Irariana mba ho vita tsara sy ho mateza ity lalana RN2 ity, tena manahirana anay mpitatitr’entana ny lavadavaka indrindra amin’ny fahavaratra ka sarotra ny manœuvre atao hialana amin’izany ka manimba ny fiara » hoy i Fidy, mpamily fiara lehibe fitaterana entana.
Mbola maro hatrany ireo lalam-pirenena ilàna fanamboarana eto Madagasikara. Noho izany tokony ho jeren’ny Ministera tompon’andraikitra izy ireo fa tena mampijaly ary manahirana ny vahoaka raha tsy hilaza hafa tsy ny tsy fandriampahalemana iainana amin’ny lalam-pirenena sy ny olana sedrain’ireo mpamily amin’ny fiara.
Sitraka Rajaonarivony
