Fanadiovana ny lakan-drrano ao Ambodivona: Miantso amin’ny fahatongavan’ny rehetra
Nanao fidinanana nijery ny asa fanadiovana izay natao tao amin’ny lakan-drano ao Ambodivona sy Tana Water Front ny Ben’tanan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina ny Alakamisy 12 Aogositra 2021.
Namboarina sy nitarina ireo fotodrafitrasa simba ary nampiana tetikasa « Haute Intensité de Main d’œuvre » (HIMO) ho fanadiovana ireo fako. Nisy ihany koa ny fanadiovana ireo fantsona fanariana rano izay tsentsin’ireo fako. Tanjona iray lehibe amin’izao asa fanadiovana izao ny hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ny fahavaratra. Nisaotra ireo fikambanan’ireo Tompon-trano eny amin’ny Tanà Water Front hatrany ny Ben’tanàna tamin’ny fandraisany izy ireo anjara tamin’ny izany.
Vao vantany nadio anefa ny lakan-drano dia hita sahady fa feno fako sahady indray izany. « Mila samy tonga saina sy manova fihetsika isika raha tena te hametraka zavatra maharitra ho an’ny Tananantsika » hoy ny ben’ny tanàn’Antananarivo, raha nahita ny zava-nisy. Nisaotra an’i Ben’tanàna ihany koa ireo mponina eny an-toerana amin’ny ezaka nataon’izy ireo. « Tsy ho vitan’ny fanentanana fotsiny ny fanovana ny toe-tsaina eto Madagasikara, ny tsara kokoa angamba dia fanomezana sazy hentitra miampy lamandy » hoy i Feno raha nanontany mahakasika ny fahalotoan’ny lakan-drano vao nodiovina.
Tsy hisy toe-tsaina hiova mihintsy eto Madagasikara raha tsy ao ny finiavana ny hiala amin’ny fahazaran-dratsy manipinipy ny fako etsy sy ireo. Manentana hatrany antsika rehetra mba hanaja hatrany ny fahadiovana amin’ny toerana rehetra misy antsika
Sitraka Rajaonarivony
