ActualitésTsidika

Efa betsaka ny fotodrafitr’asa vita any Nosy Be tamin’ny alalan’ny PIC

Ampahany betsaka amin’ny fanavaozana sy ny fanamboarana ny lalana no efa vita ankehitriny tamin’ny alalan’ny tetik’asa “Pôle Intégré de Croissance” na ny PIC. Nandeha nijery ifotony teny an-toerana mihitsy aza ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, ny Minisitra lefitra misahana ny toeram-ponenana ary ireo solontenam-panjakana any an-toerana ny 11 aogositra lasa teo.

« Nizara maromaro ny fanamboarana natao ary nohezahana notsidihana izany teto Nosy Be toy ny route nationale special 30 A » hoy Tsialiva Thierry, Chef d’anthenne du projet PIC Nosy Be. « Vinavinaina ho any amin’ny faran’ny volana desambra no hifarana ny fanamboarana sy ny fanavaozana ny lalana eto Nosy Be » hoy ireo mpanamboatra izany. « lalana an-kilaometatra maro no tafiditra anaty tetik’asa izay tanterahan’ny Ministeran’ny tany sy ny asa vaventy izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ny tetik’asa PIC » hoy ny tompon’andraikitry ny Ministera tany an-toerana.

« Isan’ny mitarika ny fandrosoana ho an’ny tanàn-dehibe ny hetsika tahaka izao ary misy hidirany amin’ny tanàna lavitra mihitsy aza mba hanamora ny fitaterana ho any amin’ny tanàn-dehibe » hoy i Samba, mponina avy any Nosy Be. Mitondra fampandrosoana tokoa ny lalàna satria iankinan’ny fiainan’ny olona maro. Ny lalàna vita tsara sy mahatratra ny taranaka anefa no tena ilain’ny rehetra eo amin’izay fandrosoana izay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire