SocialTsidika

Miaramila sy mpiasan’ny PAM nampidirina am-ponja noho ny fanodikodinam-bola ho fanampiana ho an’ny Kere

Sarona ireo mpanodikodim-bola izay mampikatso ny fanampiana ho an’ireo traty ny kere any Atsimo. Nampidirina am-ponja vonjimaika ny tompon’andraikitra sasany izay nahitana miaramila sy mpiasan’ny PAM.

« 12 no nampidirina am-ponja ary misy ireo arahi-maso ara-pitsarana sy ireo nahazo fahafahana vonjimaika tao amin’ny Kaominina Antranomaro » hoy ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse. « Mifanagaro ao ny fanodikodinana sy ny fivarotana ireo fanampiana voaray ka nahitana miaramila, mpiasan’ny Pam ary olon-tsotra » hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana. « Izahay aty malahelo ny mpiray tanindrazana aminay any Atsimo ka manampy araka izay azo atao, ny olona mahitahita any mitsetsitra izay omenay » hoy olona iray monina eto Antananarivo.

Sao dia izany tokoa ary no tena sakana tsy mampandroso antsika ? Ny vola misy fa ny toe-tsaina lomorina, tia kely tahaka izany no mampikatso ny fanodinana ny tetik’asa indrindra ho an’ny any Atsimo.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire