Japon : Medaly voalohany tao amin’ny tantaran’i Burkina Faso
I Hugues-Fabrice Zango no nahazo medaly voalohany teo amin’ny lalao olympika ho an’i Burkina Faso ny alakamisy teo. Teo amin’ny taranja atletisma no nahazoany ity medaly varahina ity izay toy ny volamena mihitsy ho azy sy ho an’ireo mpiray tanindrazana aminy.Marihina fa hatramin’ny lalao olimpika tamin’ny taona 1972 tao Munich i Burkina Faso no tsy nahazo fandresena, hatramin’iny fandresen’i i Hugues-Fabrice Zango iny. Mpifaninana 7 no nalefa hisolo tena i Afrique andrefana fa izy ihany no nahazo medaly. « Voninahitra lehibe ho ahy izany olona voalohany nahazo medaly teo amin’ny fireneko izany, ny volamena mihitsy no nokendreko saingy ny varahana aloha no azoko fa efa fandresena lehibe ho an’ny fireneko izany » hoy izy.
