France : Hanomboka ny 13 Aprily izao ny Ramadan
Hanomboka ny Talata 13 Aprily izao ny ramadan any Frantsa hoy ny Filan-kevitra Frantsay mikasika ny finoana Silamo ny 01 Aprily lasa teo. Hotanterahina ny Aïd el Fitr amin’ny 13 mai 2021 izany hoe fitsaharana amin’ny fifadian-kanina hoy hatrany izy ireo. Nanamafy anefa ny filohan’ny silamo, Mohammed Moussaoui fa tsy atao mahakasika ny fanaovana izany ny fisian’ny aretina COVID-19 ka izay mahafeno ny fepetra ihany no manatanteraka ny Ramadan. Tsy asiana olana amin’ny fifadian-kanina ihany koa ny fanaovana vaksiny fa kosa raha milaza ny mpitsabo fa tsy maintsy misakafo dia tsy maintsy manaraka izany. Tsy maintsy hanjaina ihany koa anefa ny ora fodiana ny trano ny alina na ny « couvre-feu » ary ferana ny isan’ny fianakaviana sy ny namana miara-misakafo.
