ActualitésTsidika

Mandroso ny asa fanarenana sy fametrahana ny làlana miodina eo amin’ny tetezana Manambaro, Anôsy amin’ny RN13

Mandroso ny asa fanamboarana ny làlana mihodina eo amin’ny tetezan’i Manambaro eo amin’ny reniranon’i Efaho amin’ny làlam-pirenena faha-13.

Efa mipetraka ny tetezana vy  izay mirefy 27 metatra, ary efa vita ihany koa ny « remblai d’ouvrages » sy ny « couche de fondation » ary efa eo am-panaovana ny « couche de base » ny orin’asa amin’izao izao.

« Isan’ny tena nampijaly anay ity làlana ity teo aloha ary hantenaina fa hitondra fiovana lehibe tokoa ny fahavitan’izany » hoy i Dominique, mponina eny amin’ny manodidina. « Na lavitra andriana aza aty Anôsy dia ezahina hatrany ny hamaly ny fitarainan’ny mponina mba hirosoana any amin’ny tena fandrosoana marina » hoy ny solontenam-panjakana any an-toerana. « Ny làlan-drano rary vato efa eo amin’ny dingan’ny asa famaranana ankehitriny ary ho atao tara ny fidirana sy ny fivoahana eo amin’ity tetezana ity » hoy kosa ireo mpanamboatra izany fotodrafitrasa izany.

Ny famaliana ny hetahetan’ny mponina eny ifotony tahaka izao dia isan’ny mitondra fandrosoana lehibe ary indrindra ny famahana ny olana ho lasa fandrosoana lovain-jafy. Fivelomana maro ny iantohan’iny lalam-pirenena faha-13 iny ka tokony tsy ho atao ambanin-javatra ny fanatsarana azy. Mbola miandry fotoana anefa vao vita izany ka ilaina ny faharetana raha te hanana ny soa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire