Mahasoa: Ireo voka-tsoa entin’ny persily
Karazana zava-maitso mitondra hanitra fanao amin’ny fikarakarana sakafo isan-karazany ary azo asolo ranom-boankazo toa ireny voankazo rehetra ireny ny persily. Maro ireo voka-tsoa azo avy amin’ny fihinana azy ity. Azo atao ny mitsakotsako azy fotsiny amin’izao tsy misy fangarony; maka persily iray fehezany dia hanina manta avy hatrany.
Betsaka ny olona ny mety tsy tia ny persily, fantaro anefa fa anisan’ny tena mitondra otrikaina ilain’ny vatana ary miaro amin’ny karazan’aretina noho ny fananany “antioxydants”. Manadio ny voa na ny “reins” ny fihinana azy. Ny voa izay taova miasa ary reraka amin’ny fanadiovana sy fanalana ireo poizina rehetra ao anaty vatana ao ka mila kojakojaina fatratra ny fahasalamny ahafahany manao ny asany ara-dalàna ahazoana fahasalamana. Manatsara ny fiasan’ny aty ihany koa izy noho izy manampy amin’ny fanalana ny loto hanaraka ny fivalanandrano.
Ny olona tsy ampy fer, tsy ampy sokay na tsy ampy vitamian C, B1 sy B6 dia tsara mihinana persily fehezany iray isan’andro, hanina manta. Mahomby ary miady amin’ny aretina maro toa ny fivainganan-drà sy ny tazovony ary misoroka ny arthrose, ny goute ary ny rhumatisme ihany koa ny persily. Manala fofona ratsy amin’ny vava ihany koa ny fihinana azy.
