ActualitésTatitra

France : Hovidin’ny Sanofi ny Translate Bio

Tao aorian’ny fanambarana ny famatsim-bola lehibe ho an’ny “ARN messager » dia nanambara indray ny Sanofi, mpamokatra fanafody lehibe ao France fa hividy ny orinasa misahana manokana amin’ny sehatra. Antony hividianany ilay orinasa américain Translate Bio izay ho soniavina amin’ny telovolana fahatelo. Manodidina ny 3 200 tapitrisa dollars na 2 700 tapitrisa euros (12 000 000 000 000 ariary) ny teti-bidin’izany.

« Rehefa mahazo ny Translate Bio ny Sanofi dia hanafaingana ny fampiasana ny teknolojian’ny ARNm ho fampandrosoana vaksiny sy ny fitsaboana » hoy ity vondrona Français ity. Nandroso haingana niaraka tamin’ny krizy ara-pahasalamana ity teknolojia ity, raha hoarina amin’ny vaksiny mahazatra izy dia mampiditra mivantana ao amin’ny sela ny « séquence de génome » mba hamokatra hery fiarovana mahavita mamono ilay tsimok’aretina.

Laisser un commentaire