Lalam-pirenena voalohany : 4 no maty ary 7 no naratra
Ny tsy fananjana ny lalàn’ny fifamoivoizana foana matetika no tena mahatonga ny loza, ny tsy fahafehezana ny hafainganam-pandeha araka ny tokony ho izy. « Mila hentitra ny mpitandro filaminana misakan-dalana indrindra tokony hampatsiahin’izy ireo mihitsy ny tsy tokony handehanana mafy » hoy i Monique, mpandeha taxi-brousse.
Izany tokoa mantsy ny zava-nisy androany alatsinainy 12 jolay 2021 maraina tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny. « Nandeha mafy ilay fiara ary nivarina an-kady avy hatrany » hoy ny teny amin’ny manodidina. Nitondra olona avy any Tsiroanomadidy avy namonjy ny fanamasinana eveka ny alahady lasa teo ity fiara tra-doza ity. Olona 4 no maty tsy tra-drano ary olona 6 hafa naratra sy ny mpamily azy. Nandeha mafy ny fiara ka tsy natana ny familiana tanaty fiolanana ilay mpamily hoy ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Tao Ambohimitarona no toerana nisian’ny loza ary nentina tany amin’ny CHRR Miarinarivo avy hatrany ireo naratra.
Mila mitandrina hatrany isika mpamily satria miantoka ain’olona maro ka tokony ho ferana foana ny hafainganam-pandeha.
Nicole Rafalimananjara
