Hotanterahina androany ny fifidianana ao amin’ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena
Raha tsiahivina dia efa an-taonany maro no tsy nisy ny birao nisahana ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena noho ny disadisa nisy teo amin’ny mpitantana.
Ankehitriny kosa dia hiverina indray izany noho ny finiavan’ny KOM ka ho tanterahina androany ny fifidianana ireo an-drafitra ny birao hitantana ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Malagasy na AJSM, izay ho atao eny amin’ny Foibe toeran’ny komity olimpika Malagasy (KOM).
Nirotsaka ho fidiana ho filoha amin’izany i Randrimamonjy Torcelin izay mpanao gazety avy ao amin’ny Taratra. Efa nilona 26 taona tao anatin’ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena ny tenany ary manana vina hampandrosoa izany.
Nanolo-tena ho an’ny andraikitry ny sekretera jeneraly kosa i Ralaimidona Soafara, izay mpanao gazety ao amin’ny Les Nouvelles. Vehivavy mpanao gazety manana ny lazany eo amin’ny sehatry ny fanangonanam-baovao sy fampielezana azy.
Hasina Rasamimanana
