Fifaninana hidirana ao amin’ny « Ecole nationale de la Magistrature et des Greffes »
25 Jona, 07h55. Hotontosaina aorian’ny 27 jona ary hifarana ny 27 aogosotra ny fifaninana mivantana hidirana ho ao amin’ny « Ecole nationale de la Magistrature et des Greffes » Ity fifaninanana ity dia namboarina mba hametrahana mpitsara mpianatra miisa 80, ao anatin’izany ny 40 amin’ny sehatry ny fitsarana, ny 20 amin’ny sehatry ny fitantanan-draharaha ary ny 20 amin’ny sehatry ny fitantanam-bola.
