Tsy azo hivarotana ny alakamisy sy sabotsy eny Mahamasina
01 Septambra, 08:15. Tsy hisy ny tsenan’i Mahamasina ho an’ny Alakamisy ny 2 septambra izao, hisian’ny lalao iraisam-pirenena hihaonan’ny Barea Madagasikara sy ny Écureuils avy any Bénin. Hikatona ihany koa ny tsena ho an’ ireo mpivarotra rehetra manodidina ny Kianja Barea Mahamasina ny sabotsy 4 septambra izao, andro hitokanana ofisialy ny Kianja Barea. Hiverina ny tsena isan-kerinandro, amin’ny 9 septambra.
