Dépêches

Lozam-pifamoivoizana tao Ihosy

21 Jona, 14h05. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray omaly 20 jona tao amin’ny Faritra Ihorombe tsy lavitra an’Ihosy. Olona iray mpiasan’ny fahasalamana no namoy ny ainy tamin’izany ary mpiasa efatra hafa avy amin’ny PNLP/DLMT no naratra. Telo tamin’ireo no efa nivoaka ny hopitaly CHRD Ihosy omaly ary iray kosa no mbola manaraka fitsaboana, ary efa an-dalàm-pahasitranana ankehitriny.

Laisser un commentaire