Ramatoa iray hita faty teny Ankadindratombo
21 Jona, 08h24. Renim-pianakaviana mpivarotra sesi-kidoro no hita faty omaly 20 Jona teny Ambatonjara Ankadindratombo tokony ho tamin’ny 11 ora maraina. Raha ny fizahana natao dia hita fa voaolana ity ramatoa ity ary novonoina avy eo ary mbola notsetseman’ireto olon-dratsy “couche an’i zaza” ny vavany. Misokatra ny fanadihadihana hoy ny Mpitandro filaminana.
