Tonga any amin’ny faritra Antsirabe ihany koa ny mpangalatra volo
Tsy hay intsony na hasomparana na fitadiavam-bola amin’ny fomba moramora fa tsy te hisahirana na tena tsy fisian’ny asa ara-dalàna intsony mihitsy. Vao tsy ela akory izay, nivoaka vaovao mihitsy fa misy mpangalatra volo miaodiaody eny amin’ny faritra Behoririka sy ny manodidina eny. Toa nangingina izy tato ho ato izay fa kosa nifindra toeran-kafa indray ary efa nisy sahady ny lasibatra tamin’izany.
Tonga any amin’iny faritra Antsirabe iny ihany koa ny resaka fangalarana volo amin’izao fotoana ary tovovavy kely mpianatra vao 11 taona monja no lasibatra voalohany tamin’izany araka ny nambaran’ireo manam-pahefana any an-toerana. Manentana ny rehetra ny eo anivon’ny zandarimeria any an-toerana noho izany mba ho mailo hatrany rehefa hivoaka ny trano. Efa mandray ny andraikiny ihany koa anefa ireo tompon’andraikitra any an-toerana amin’ny fanaraha-maso eny amin’ireo toerana maro olona mifamezivezy sy ny elakelan-trano rehetra. Tsy afaka ny hivoaka ny trano amin’ny saina tony sy milamina intsony ireo tovovavy sasany raha izao no mitohy.
Ally Herisoananahary
