ActualitésTsidika

14 jona : Andro maneran-tany ho an’ny mpanome rà

« Izay manome rà, manome aina » hoy ny fiteny mahazatra. Nanomboka ny taona 2004 no namparitahan’ny OMS ny tokony hanomezan’ny vahoaka salama rà mba ho fanavotana aina ho an’ireo tsy salama indrindra ny tsy ampy rà. Androany 14 Jona araka izany no andro maneran-tany natoakana ho an’ireo mpanome rà. Noho ny fanomezan-drà ataon’ny olona an-tapitrisany no hamonjena ain’olona aman’arivony isan’andro. Mila rà araka izany ireo marary ary rà madio no ilaina amin’izany. Tovolahy iray mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo izay mpanome rà in-droa isan-taona no nanao hoe : « Tsy maintsy manome rà aho isan-taona mba ho fanampiako ny mpiara-belona amiko no isan’ny manatsara ny fahasalamako ihany ary mba hahalalako ny toe-batako ». Ity andro androany ity araka izany dia sady ho fanentanana ny olona hanome aina hanome rà ary ihany koa hisaorana indrindra ireo izay efa mpanome rà manerana izao tontolo izao. Maimaim-poana ny fanomezana rà ary isan’ny fanampiana ireo tsy salama any amin’ny hôpitaly any. Ny manome rà araka izany dia sad mizara aina no manampy ny hafa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire