Etats-Unis : Niharan’ny “cybercriminalité” ilay mpamokatra ny jeux video Electronic Arts
Ny alakamisy 10 jona lasa teo, nanambara ilay amerikanina mpamokatra ilay jeux video Electronics Arts fa niharan’ny « piratage » ity fialamboly novokariny ity tao aorian’ilay fanambarana nataony tao amin’ny « Vice Media » ny amin’ny fahaverezana « codes sources » maro tamin’ilay jeu malaza be « Fifa 21 ». Efa manao fanadihadiana mikasika ireo olona nangalatra ireto « code sources » ireto izy ireo amin ‘izao fotoana amo amin’ny tambajotra izay ampiasiana fa eo ihany koa fanampin’izay, manao ny fomba rehetra hamantarana ny fitaovana nampiasian’ireo olon-dratsy. Miara-miasa amin’ireo manam-pahefana sy tompon’andraikitra amin’ny resaka fisolokiana toy itony ireo mpisehatra ao amin’ity orinasa iray ity. Efa nohatsaraina ihany koa araka ny nambaran’izy ireo ny fiarovana ka inoana fa tsy hisy fiantraikany amin’ny hetsika ara-barotra ataon’izy ireo izao zava-niseho iza
