SocialTsidika

Fampitaovana nataon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena

Mila tosika manoloana ny fanmpianarana ny zaza eny amin’ny ambarotonga fototra ireo ray aman-dreny indrindra ny eny amin’ny sekolim-panjakana. Amin’ny maha reny mpiahy ny fanabeazana eto Madagasikara an’i Sahondrarimalala Marie Michelle izay mitarika ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena dia nitondra fanampiana ho an’ireo mpianatra izy. Kapa amin’ny tapitrisa miampy aronakanjo maherin’ny 1,6 Taitrisa no nozaraina ny mpianatra Malagasytamin’ny taona 2020. Fitaovam-pianarana maro ihany koa no nampiarahana izany fanampiana izany ho famporisihana hatran ny mpianatra sy hanampiana indrindra ny ray aman-dreny. Tsy latsa-danja noho ny tamin’ny herintaona ny fampitaovana hatao amin’ity taona ity ary tahaka izany ihany koa ny kalitaony. Isan’ny laharam-pahamehana ho an’izany Minisitera izany tokoa mantsy ny fampitaovana ny mpianatra indrindra ireo kely eny anivon’ny ambarantonga fototra. Tsikaritra amin’izany fitaovana izany indrindra ny loko politika volomboasary.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire