SportTatitra

France : Nandresy an’I Bulgarie tamin’ny lalao fanomanana ny Euro

Hanomboka tsy ho ela ny lalao baolina kitra Euro 2020 izay ny 11 jona ka hatramin’ny 11 jolay. Nisy ny lalao fiomanana izay nifanandrinan’i ekipan’i France, izay tarihan’i Didier Deschamps, sy ny Bulgarie. Nandresy indroa tamin’ny lalao roa nataon’ny izy ireo hatrany ny ekipan’i France mialohan’ny tena hanombohan’ny Euro. Nandresy 3 noho ny 0 nanoloana an’ny Pays de Galles ary 3 noho ny 0 ihany koa nanoloanan’i Bulgarie ny talata 8 jona teo tany amin’ny kianjan’i France. Isan’ireo mpilalao mamiratra ao amin’ny ekipa i Olivier Giroud izay nahatafiditra baolina roa be izao ary i Antoine Griezmann izay nahavita nampiditra ny baolina iray. Ny 15 Jona izao ny ekipan’i Didier Deschamps no hiatrika an’i Allemagne amin’ny lalao ho ataony voalohany amin’ny Euro. Na dia teo aza ny faharatran’i Karim Benzema nandritra ny lalao ny talata teo dia tsy misy hatahorana ny hahazahoana ny fahombiazana manoloana an’i Allemagne hoy ity mpanazatra ity. Ampy ho fanantenana ho azy ireo ny voka-dalao indroa tamin’ireny lalao ara-piralahiana ireny.

Laisser un commentaire