Barea : Tsy afaka amin’ny fampivondronana i Dafé
35 ny mpilalao voarakitra tao anatin’ny lisitry ny mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena Barea navoakan’ny mpanazatra Eric Rabesandratana tamin’ny alarobia. Navoaka manaraka ny anjara asany avy ny mpilalao tsirairay. Isan’ny voafidy tao anaty lisitra i Ferdinand Ramanamahefa na i Dafé na dia efa ela aza no tsy henoheno intsony ny tenany dia isan’ny ho mpilalaom-pirenena ihany. Ny 5 hatramin’ny 15 jona izao no fotoana hampivondronan’i Eric Rabesandratana ny mpilalao rehetra eto Madagasikara. Raha ho an’i Dafé manokana anefa, nilaza izy androany maraina fa tsy afaka ny hanatrika io fampivondronana ho atao io. Tsy nanome fanazavana betsaka tamin’ny mpanaraka anazy tao an-tambajotra ny amin’ny tsy fahatongavany anefa izy, fa antony manokana, hoy izy, no tsy nahatongavany. Mitondra ny anjara toerana ao afovoan’ny kianja izy raha ny lisitra navoaka ary nitana ny toerana mpanafika tao amin’ny Tana formation taloha ary miofana ao. Nisaotra ny mpanazatra vaovao mihitsy aza izy noho ny famerenana azy tao anatin’ny Ekipam-pirenena sy ny noho ny fahatokisana azy.
Nicole Rafalimananjara
