Manomboka ny fanaovam-baksiny ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany ao Antsiranana
Mitohy hatrany ny fanaovam-baksiny amin’izao ary miezaka manitatra izany amin’ny sehatra rehetra ny fanjakana na dia nisy aza ireo laharam-pahamehana toy ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana ary ny ny be antitra sy ny olona marefo ara-pahasalamana. An-tsitrapo ka tsy an-tery ary maimaimpoanany fanaovana izany. Efa manomboka misitraka izany anefa ny sehatra hafa rehetra ka ny fizahan-tany izao no nanomboka nanao izany indray tany Antsiranana androany. Hatomboka androany hatramin’ny 8 Jona izao ny fanaovam-baksiny fanefutry ny Covid-19 raha ho an’ny mpisehatra ao amin’ny fizahan-tany any Antsiranana. Antsoina ireo hanolo tena amin’ny fitsindromana izany vaksiny izao hanantona ny biraon’ny fizahan-tany any an-toerana, « Place Foch – Hôtel de ville ». Na dia tsy terena aza ny olom-pirenena hanao izany dia tiana ny milaza fa tsy i Madagasikara irery akory no manao vaksiny fa ny firenena rehetra mihitsy mba hisorohana ity areti-mandoza ity. Ny an’ny hafa aza omena volabe mihitsy izay manao izany mba hamporisihana ny vahaokany, midika izany fa tena zava-dehibe tokoa ny hanaovana izany.
Nicole Rafalimananjara
