Toliara : Tratra ireo fitaovana saika hanaovana asa fanafihana
Isan’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo iny faritra Atsimo iny satria isan’ireo toerana be omby eto Madagasikara. Manjaka sy mahery tokoa ny dahalo ary tsy mitsitsy izay angalarina mihitsy. Misasatra ny hatsembohan’ny hafa fotsiny ka mitsetsitra izay mba voaharin’ny vahoaka. Manan fitaovana tokoa ka sahy manapatra ny fahefana ireo dahalo hany ka miforotra ny vahoaka. Lehilahy iray anefa no tratran’ny miaramila nitondra basy AK47 miaraka amin’ny « boite à chargeurs » misy bala 23 sy PA marika Mab misy bala 5 koa, ary ody gasy maro samihafa tany Toliara. Izany rahateo no fitaovana fampiasan’ny dahalo. Nilaza ity farany rehefa nanontaniana ny momba ireo fitaovana hita teny aminy ireo fa fitaovam-piadiana saika hanaovany asa fanafihana ireo. Isan’ireo dahalo mpandrava fananan’olona izany ity tratra ity ary tokony hadihadihana mikasika ireo namany hanao izany fanafiahana izany. Na dia tsy hanafoana ny asan-dahalo aza izany fa kosa mba hampihenana ny isany satria mbola ho ela vao ho foana ity asa ratsy ity raha ny eto amintsika no ho resahana.
Nicole Rafalimananjara
