PolitiqueTsidika

Tolo-kevi-dalàna hiadiana amin’ny kolikoly « Idealson » eo amin’ny Antenimieran-doholona

Tsy mampandroso ny firenena ny kolikoly fa mitarika azy ho an’ny amin’ny rambony aza. Ny vahoaka hendry tsy manao kolikoly no tena ilaina hampandroso ny firenena satria miaina ao anaty mangarahahara amin’izay. Hisy ny fivoriana eo amin’ny Antenimieran-doholona rahampitso 27 may izay hamolavolana ny lalàna 001-2020-PL izay manova sy mameno ny lalàna 2016-021 ny 22 aogositra 2016 ny amin’ireo tendro manohitra ny kolikoly. Izany dia tolo-dalàna napetrakin’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Ampanihy Andrefana, Idealson ny 2 jolay tamin’ny taona lasa teo. Hanasokajiana ny fahefana ao amin’ny Tendro Manohitra ny kolikoly na ny PAC izany mba hanatraikefa maro toy ny « Conseil Supérieur de l’Intégrité » na ny CSI ity lalàna ity. Nilaza mihitsy aza ny Filohan’ny CSI fa isan’ny manena ny kolikoly sy manafaingana amin’ny fanoherana izany ity lalàna ity indrindra ho an’ny PAC izay misahana ny resaka kolikoly mifandray amin’ny resam-bola. Tokony ho betsaka ihany koa anefa ny lalàna apetraka eny amin’ny andrim-panjakana mba hiadiana amin’ny kolikoly hoy hatrany ity filoha ity. « Ny fahombiazan’ny ady amin’ny kolikoly dia miankina amin’ny fahazavana sy ny tsy fitovizan’ireo lahatsoratra mifandraika amin’izany » hoy ny ilay Solombavambahoaka teo am-panolorana ity lalàna ity. Ary ny Minisiteran’ny fitsaràna no tokony hanendry ny faharetan’ny fitondran’ireo mpikambana ao amin’ny PAC izay Telo taona ary ny fanovana ny rafitra izay hanarahana ny fivoranan’ny PAC. Rahampitso 27 May no hamantarana izay mety ho tohin’ity lalàna ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire