ActualitésTatitra

Japon : Manaiky ny vaksiny Moderna sy Astrazeneca

Neken’ny governemanta ao Japon ny zoma ny vaksiny Moderna sy AstraZeneca ho fanefitry ny covid-19. Notsindriany tamin’izany fa mbola tsy ampiasaina avy hatrany ny AstraZeneca noho ny fanahiana ny fisian’ny fiantraikany amin’ny fahasalamana toy ny fivainganan’ny rà izay tsikaritra tany amin’ireo firenena hafa. Tokony ampiasaina ny “feu vert” an’ireo manam-pahefana ahafahana manafaingana ny fanaparitahana ny vaksiny any Japon. Ny governemanta any an-toerana izay tena voatsikera mafy amin’izao roa volana alohan’ny Jeux Olympique any Tokyo 2020 izao izay atao ny 20 jolay hatramin’ny 8 aogositra. Latsaky ny 2% amin’ireo mponina 125 tapitrisa ao Japon no nahazo ny tsindrona indroa tamin’ny Pfizer/BioNTech, io izay tokana nankatoavin’ny governemanta ao Japon. Hanafaingana ny fanaovam-baksiny araka izany ny famelana malalaka ny fidiran’ny Moderna izay nifanindry an-dalana ihany koa amin’ny fisokafan’ny toeram-panaovam-baksiny anakiroa vaovao ao Tokyo sy Osaka ny herinandro ho avy io. Nanao taratasy fifanekena tamina toerana mpamokatra fanafody maro noho izany i Japon mba ahazoan’ny mponina rehetra ao aminy vaksiny. Namandrika fatrana Pfizer/BioNTech 200 tapitrisa ny governemanta japonais, miampy Moderna 50 tapitrisa ary 120 tapitrisa tao amin’ny AstraZeneca.

Laisser un commentaire