SportTatitra

France : Euro-2021, namerina niantso an’i Karim Benzema i Didier Deschamps

Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 26 andray anjara amin’ny Euro-2021 amin’ny 11 jona hatramin’ny 11 jolay izao i Didier Deschamps. Anisan’ny nosafidiany tamin’ireo i Marcus Thuram ary indrindra i Karim Benzema, izay efa nilalao niaraka tamin’ny ekipam-pirenena Frantsay nanomboka ny taona 2015. Adino avokoa ny zavatra rehtra, tena tsy nanampo ity zavatra nataon’i Didier Deschamps ny 18 may teo ity. I Benzema izay 33 taona ankehitriny ary efa nanoratra tantara tsara ho an’ny Real Madrid (nahatafiditra baolina 29 tao anatin’ny lalao 45 natao) , “81 séléctions” ary efa nahatafiditra baolina 27 tamin’ny lalao nifanaovana tamin’ny ekipa Manga. Fifanandrinana tamin’i Arménie (4-0) no lalao farany nataony ny oktobra 2015 tao Nice. Izy ihany koa izay ahiana ho naira-niasa tamin’ny fanandramana hanakorontana nikendrena ireo mpiara-miasa aminy taloha tao amin’ny ekipampirenena. Mathieu Valbuena ilay mpilalao voaofana tao Lyon, hotsaraina any amin’ny tribonalin’i Versailles amin’ny 20-21 oktobra 2021 izao.

Laisser un commentaire