SocialTatitra

Etats-Unis : Handinika mikasika ny zon’ny fanalan-jaza ny fitsarana tampony

Nanaiky ny handinika ny lalàna iray any Mississippi ireo mpitsara maro an’isa ao amin’ny Fitsarana Tampony. Lalàna izay mandrara ny fanalan-jaza manomboka eo amin’ny faha-15 andro na vokatry ny fanolanana io na sitrapo. Ny alatsinainy 17 may teo no nanaiky ny ao amin’ity fitsarana tampony ao Etas-Unis ity fa hijery indray ny zon’ireo vehivavy hanala zaza. Notendren’ilay filoha teo aloha Donald Trump ampahatelon’ireo mpitsara sivy ao amin’ity fitsarana avo ao Etas-Unis ity, afaka volana vitsivitsy no handinihana io lalàna mikasika ny fanalan-jaza io. “Maneno mafy ny fanairana manoloana izao fandrahonana izao” hoy ny fanehoan-kevitra nataon’i Nancy Northup, filohan’ny Center for Rights Reproductive, izay nanao lalàna manohitra ny lalàna navoakan’i Mississippi. “Nanaiky handinika lalàna iray ny fitsarana Tampony, nefa tsy isalasalana fa mandika ny fanampahan-keviny tao anatin’ny 50 taona izy” hoy hatrany ny nambarany.

Laisser un commentaire