France : Misokatra manomboka ny 19 mey
Tsy andrin’ny mponina ny hahita hazavana indray. Nikatona nanomboka ny 30 oktobra ny toerampijerena sarimihetsika, ny fivarotana, ny tranombakoka sns… Ireo no zavatra hiova amin’ny famahana faharoa manomboka rahampitso. Nakisaka ho amin’ny 7 hatramin’ny 9 ora alina ny fetra azo hivezivezena ao Frantsa. Afaka misokatra kosa ny toeram-pisotroana sy fisakafoana, ny toeram-pivarotana ary ireo toerana ara-kolontsaina manomboka rahampitso. Ny toerampijerena sarimihetsika kosa dia afaka mandray olona hatrany amin’ny 35% amin’izay zakany teo aloha. Mila hajaina ny elanelana 2m isakin’ny mpanjifa ho an’ireo toeram-pivarotana. Ny toerampisakafoanana ivelan’ny trano ihany kosa no afaka sokafana ho an’ireo toeram-pisakafoanana sy toeram-pisotroana.
