Maurice : Lehilahy maty niharan’ny herisetra
Lehilahy iray no hita niharan’ny herisetra mahatsiravina ny omaly alahady 16 may hariva teo tany Maurice. Hitan’ny mponina tany Lallmatie fa naratra mafy tao aminn’ny toerana iray ity lehilahy ity ary nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana avy eo. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly Dr Bruno Cheong tany Flacq izy. Nambaran’ny mpitsabo nandritra izany anefa fa tsy tana intsony ny ainy ary maty izy. Tsy mbola fantatra anefa hatreto ny momba ity niharam-boina ity raha ny vaovao avy amin’ny polisy any an-toerana. Olona iray mipetraka any Terre Rouge no nosamborin’ny avy ao amin’ny CID de Brisée Verdière ho ahiahiana amin’izao raharaha izao ary fantatra fa antsy fampiasa an-dakozia no nampiasaina namonoana azy.
