Nodimandry i Lija
17 May, 14h30. Nindaosin’ny fahafatesana omaly 16 Mey i Ravaloson Milijaona na i Lija. Mpamorona tantara, feo beso ary mpilalao teatra ao amin’ny Tropy Jeannette no nahafantaran’ny maro azy. Ny feo beso no tena nampiavaka azy tamin’ny hira fandravahana tantara.
