Nihazo ny faritra mbola tsy nahazo vaksiny ny mpitatitra izany
Folo andro izay no nahatongavan’ny Vaksiny teto Madagasikara. Mihazakazaka manafaingana ny fanaovana izany ny firenena maro maneran-tany. Nilaza araka izany ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa tokony hahazo ny fatran’ny vaksiny Covishield ny faraitra rehetra manerana ny nosy. Natao androany alatsinainy 17 may araka izany ny fanamparitahana iznay vaksiny izany tamina Distrika miisa 36 tamin’ny faritra dimy farany mbola tsy nahazo ny anjarany hoy Dr Rivomalala Rakotonavalona izay talen’ny fandaharan’asa mikasika ny fanaparitahana ny vaksiny. Fiara fitaterana maro no niala teto Antananarivo androany maraina hitatitra izany vaksiny izany fa kosa ho an’ireo faritra sarotra lalana toa an’i Maroantsetra, Sainte Marie na Mananara Avaratra dia hotaterina rahampitso talata 18 may amin’ny fiaramanidina izany. Marihana fa 250 000 ny fatra azontsika Malagasy tamin’ny Covishield ny Sabotsy 8 May lasa teo. An-tsitrapo tanteraka ny fanaovana izany fa kosa mila misoratra anarana mialoha. Ny 12 may lasa teo izao no nanatanteraka izany ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny nosy izay nahatratra hatramin’ny 17 000 olona. Nanaraka taorian’izay ny mpitandro filaminana, fa isan’ny laharam-pahamehana ihany koa ny olona marefo sy ny maherin’ny 70 taona amin’ity vaksiny ity. Mazoto amin’ity vaksiny ity tokoa ve ny ankamaroan’ny olona ? Tsy ampy ny fanazavana eny ifotony hany ka maro ireo misalasala.
Nicole Rafalimananja
