SocialTsidika

Tsena 67Ha Coum : Mbola misy mivarotra

Mbola misy ihany ireo mivarotra eny amin’ny coum 67 Ha taorian’ny namindrana azy ireo eny Andohatapenaka. Noho ny fanamboarana foto-drafitra izay vinavinaina ho vita ao anatin’ny 8 volana no antony namindrana azy ireo. Ankehitriny, velontaraina ireo mpivarotra sasany nanaiky nifindra teny Andohatapenaka tao aorinan’ny fanapahan-kevitra izay noraisina. Mbola misy amin’ireo mpivarotra ihany, hoy izy ireo, no manohy mivarotra eny amin’ny Coum na dia teo aza ny fandaminana ny amin’ny namindrana azy ireo tany Andohatapenaka. Tokony mifindra avokoa ny mpivarotra rehetra fa tsy misy mijanona eny amin’ny Coum intsony, raha nambaran’ireo mpivarotra hatrany. Mangataka izy ireo no haneserona farak’izay aingana ireo izay mbola mitampikitra eny amin’ny coum. Manoloana ny fanekena hifindra toerana ihany, mangataka ny fanatsarana ireto mpivarotra ireto ny amin’ny toerana nomena azy eny Andohatapenaka toy ny fanasiana toerana fanariana fako. Andrasana ny fepetra raisin’ny tompon’andraikitra ny amin’ny hampitovina ny mpivarotra rehetra ary ny hanatsarana ny toeram-pivarotana vaovao.

Mampionontsoa Rajaonson

Laisser un commentaire