SocialTsidika

Tsy fandrim-pahalemana any ambanivohitra

Samy manana izay manahirana azy ny vahoaka, ao ireo miady amin’ny aretina, ao ireo miady amin’ny tsy fisiana sy ny hanoanana. Fa isan’ny miady mafy amin’ny tsy fandriampahalemana ireo any ambanivohitra. Tao anatin’ny herinandro maromaro, mirongatra izay tsy izy na ny halatr’omby, vaky trano, vaky fasana, fakana an-keriny sy ny maro hafa eny fa na hatramin’izao aza. Ireo tanàna any ambanivohitra sy somary mihataka ny renivohitra no tena lasibatra amin’izany. Toy izay nitranga tany Manerinerina, ny tany Anjozorobe, ny tany Ankily Toliara, ny tany Tsiroanomandidy. Tsy mandry andro tsy mandry alina ireo vahoaka noho izany fa voatery miambina ireo voly eny an-tsaha sy ny biby fiompy izay tena ahiana mafy amin’ny afitsok’ireo jiolahy. Tamin’ity taona ity izay niainana tanaty valan’aretina kanefa tsy nanakana ireo olon-dratsy izany. Miantraika mivantana any am-bilanin’ny mponina mihitsy ity krizy ara-pahasalamana ity ka mitady izay hahavelona amin’ny fomba rehetra ireo vahoaka na hatramin’ny fangalarana volo mihitsy aza.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire