Italie : Tafiditra anatin’ny 100 voalohany be mpanaraka i Khabane Lame
Isan’ny sehatra malaza sy be mpanaraka ankehitriny ny Tik Tok ao amin’ny tamba-jotrantserasera. Samy mitady izay fomba hampalaza azy sy izay hampiavaka azy ny mpanao izany. Isan’ny tena nalaza tato ho ato i Khabane Lame, ilay olona avy any Sénégal, monina ao Italie, 21 taona, azo lazaina ho mbola tanora tokoa. Mahatratra hatramin’ny 22 tapitrisa ny olona mpanaraka ny horonantsary ataony. Vokatry ny fihibohana ny aingam-panahiny, izay mpanaraka horonantsary fampianarany, na « tuto » miolakolaka ireny nefa hitany ny fomba hanamorana sy hanatsorana azy ka izany no ataony anaty Tik Tok. Tsy nampoiziny fa noheveriny ho fanalan’andro fotsiny, hay nahatonga azy ho tafiditra ho anisan’ireo olona 100 voalohany be mpanaraka sy mpankafy indrindra. Tsy misy resaka fa fihetsika fotsiny. Tsy misy zavatra sarotra be koa fa fitaovana ao an-trano ihany no ampiasainy. « Ny mba hampihomehy olona fotsiny no tanjoko », hoy izy kanjo nahasarika olona maro. Hahazoany volabe hatramin’ny 100 000 dollars izany. Tsy ampoizina hoe hampidi-bola tokoa ary hahafahany manampy ny fianakaviany tokoa izany.
