SocialTsidika

Fanendahana volo eny Behoririka

Tena manjaka aoka izany ny tsy fandriam-pahalemana indrindra eto Antananarivo Renivohatra. Amin’izao fotoana izao mantsy, hatramin’ny volo dia misy manendaka ary maro ny fitarainana azo amin’izany. Ny faritry Behoririka sy Analakely ary ny manodidina no toerana tena hanaovan’ireto olon-dratsy ny asany.  Ireo vehivavy lava volo no tena lasibatra amin’izany. Ny volo mifatotra sy mirandrana no tena manamora ny asan’ireo olon-dratsy. Tapahiny hatrany amin’ny fotony mihitsy ny volon’ireo izay  tratrany. Hafetsena lalina no  hampiasan’ireto mpangalatra volo ireto satria tsy hita izy ireo  vantany vao vita ny asa ratsiny. Mazava noho izany fa mbola maro ireo olona no mivelona amin’ny fanendahana ka tsy mifidy karazan’olona. Miantso ny mpitandro filaminana arak’izany mba hijery akaiky ity raharaha ity ary miantso ny rehetra ihany koa  mba ho malina hatrany.

Mampionontsoa Rajaonson

Laisser un commentaire