Ikongo : Vaky nandositra ireo gadra tao amin’ny fonja
Vaky nandositra ny fonja avokoa ireo gadra tao amin’ny fonjan’Ikongo, omaly 30 aogositra. Gadra miisa enina amin’ny 200 voafonja no sisa nijanona tao. Vokatry ny zava-niseho tany an-toerana ny alahady lasa teo, tsy nisy mpitandro filaminana intsony tao an-toerana. Vaky nandositra avokoa ireo mpiandry fonja, ireo mpiambina sy ny mpitandro filaminana.
« Nanararaotra niala ny fonja ireo gadra ao Ikongo, manoloana ny fisian’ny savorovoro misy any an-toerana. Samy namonjy fodiana avokoa izy ireo raha vaky nandositra ireo mpiandry fonja » hoy i Clément mponina ao Ikongo. Nandeha ny feo taorian’ny zava-niseho tao Ikongo fa hisy ny fanafihana ny fonja, ary izay no antony nampandositra ireo gadra. Manazava ireo tompon’andraikitra « tsy vaky akory ny fonja eto Ikongo. Nisy ny fanelezana tsaho fa hisy hanafika ny fonja, niresaka tamin’ireo voafonja ireo izahay fa rehefa nandeha ny fotoana, ny marainan’ny talata, lasa ireo gadra ka ireo nifatotra sy maratra no tsy nanao izay fitsoahana izay ». Nandray fepetra ho fiarovana ny mponina ihany koa ireo manampahefana, « efa nisy ny fandefasana na fanampiana ny isan’ny mpitandro filaminana any an-toerana hanamafy ny fanaraha-maso sy hijery ny mponina manoloana ny zava-misy ».
Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny mety ho tohin’ity raharaha ao Ikongo ity. Miandry ny fandraisan’andraikitry ny isan’ambaratongany kosa ireo mponina ny amin’ny fisorohana ny fihitaran’ny toe-draharaha.
Manitra Ramanantsoa
