Portugal : Nandrobaka ny amboara indray i Lewis Hamilton
Nandrobaka ny amboarana tamin’ny Formule 1 indray i Lewis Hamilton (Mercedes) ny alahady 2 may teo tany Portugal. Fandresena fanindroany izao tamin’ity taompilalaovana ity. I Max Verstappen (Red Bull), no nahazo ny laharana faharoa, raha i Valtteri Bottas (Mercedes), no naka ny laharana fahatelo. « Tena mafy iny fifaninana iny » hoy i Hamilton teo am-pandraisana ny mari-pankasitrahan’ny mpandresy faha-97 azony tamin’ny alahady. I Hamilton hatrany no mitàna ny laharana voalohany eo amin’ny fiadiana ho tompondaka erantany (isa 69). Manaraka azy eo i Max Verstappen (isa 61). Fahatelo kosa i Lando Norris (McLaren, isa 37).
