SocialTsidika

Soavinandriana Itasy : Mitohy ny asa fanamboaran-dalana

Miezaka araka izay azo atao mitondra vahaolana sy mamaly ny hetahetan’ny vahoaka hatrany ny fitondram-panjakana. Tonga nandeha tany ifotony noho izany ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba hijery sy handrefy ireo lalana mila fanamboarana any amin’ny distrikan’i Soavinandrina Itasy izay tena mampitaraina ireo mponina any an-toerana ho fanombohana sahady ny asa. Ao anatin’ny ady amin’ ny valan’aretina Covid-19 tanteraka ny firenena ankehitriny anefa tsy manakana ny fanavaozana ireo foto-drafitr’asa izany toy ity natao tany Soavinandriana ity, fanamboarana ireo lalana izay efa mila fanavaozana sy fanantsarana mba hanamorana ny fivezivezen’ny mponina sy ny fitateran’entana any an-toerana. Inoana mba ho foto-drafitr’asa maharitra aman-taona maro fa tsy afaka taona na volana vitsy indray ny fanamboarana manaraka toy ireo efa vita teo aloha sasany.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire