ActualitésTsidika

29 Aprily 2021 : Feno 90 Taona ny Radiom-pirenena Malagasy

Azo lazaina ho reniben’ny onjampeo ny « Radio Madagasikara », kanefa tsy latsa-danja amin’ny fifaninana amin’ireo onjampeo ankehitriny. Manome fahalalàna sy manabe ary mampialavoly sy mandrotsirotsy ny mpihaino ny Radio Nasionaly Malagasy. Nankalazaina omaly 29 aprily 2021 ny faha 90 taona niorenany raha niorina ny 29 aprily 1931. Eo anatrehan’izao hamehana ara-pahasalamana izao, dia tao amin’ny onjam-peo ihany aloha no nanaovana sy nanombohana ny fankalazana niaraka tamin’ireo mpiasan’ny RNM vitsivitsy. Ankehitriny, miroso amin’ny fametrahana ny tranonkala sy ny « web radio » ny tompon’andraikitra mba ahazoan’ny rehetra ny RNM, an-dalana ihany koa ny fametrahana « studio » lehibe natokana ho an’ny filalaovana tantara izay ho tsangambaton’izao faha-90 taona izao. Fisaorana, fankasitrahana ary firariantsoa ho an’ny mpiasan’ny RNM noho izao faha 90 taona izao no namaranan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, ny anjara fitenenany. Mandritra ny herintaona no hanatanterahana ny fankalazana aorian’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Nisy ny fanoratana ny boky volamenan’ny fankalazana sy ny fanapahana mofomamy niarahana tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny ORTM sy ireo mpiasa ao amin’ny RNM, vahiny nasaina manokana ny mpanakanto Jaojoby. Nametraka tantara tamin’ireo mpihaino ny onjampeo tamin’ny alalan’ireo fandaharana maro isan-karazany izay nahafantarana azy. Radiom-pirenena izy ary tsy an’ny fitondrana akory fa an’ny vahoaka Malagasy mihitsy, ary tokony hanomezan-danja ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena, tokony hiezaka hampandroso hatrany an’i Madagasikara ka hampanjaka ny demokrasia. Ao anatin’izany onjampeo izany ihany koa no tokony hamondronana ny mpitondra sy ny mpanohitra izay raharaham-pirenena tsy azo lavina ary ao no hanaovan’izy ireo don-dresaka amin’izay hampandrosoana ny firenena noho izy an’ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire