SocialTsidika

Ambohitrolomahitsy : Tanàna iray notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana

Isan’ny sehatra miasa indrindra eto amin’ny firenena ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Tsy milamina tokoa ary ve ny firenena ? Nahoana no manjaka ny tsy fandrim-pahalemana ? Iza no omen-tsiny ? Miseho amin’ny endriny maro ny asa ratsy izay tena mahazo laka ankehitriny anatin’izao krizy ara-pahasalamana izay. Tsy ny ara-pahasalamana ihany no krizy fa krizy manaraka izany ihany koa ny toe-karena. Ny sasany efa zatra lalan-dririnina loatra ka misambotra ny an-tanan’ny hafa fotsiny sisa. Toy ity niseho tany Ambohitrolomahitsy omaly alakamisy 22 aprily tokony ho tamin’ny valo ora alina. Tsy vitan’ny tokatrano iray no notafihan’ireo andian-jiolahy mitongo fiadiana fa tanana iray manontolo mihitsy tao Antanifasika tanàna iray anatin’io kaominina voalaza etsy ambony io. Tsy nisy azon’ireto fokonolona natao nanoloana izany noho ny dahalo am-polony manana fitaovam-piadiana maro. Tsy nisy araka izany ny naratra fa omby miisa 21 no lasan’ireto tsimatahotody. Nampandre ny tanàna manodidina ny tokatrano iray tena lasibatra ka niray hina ny fokonolona nanara-dia ireto dahalo ary tafaverina ny omby miisa 12 tao Avaratra andrefan’i Manarina. Raha ny zandary mantsy no antsoina voalohany, matetika efa lasa lavitra ny dahalo vao tonga izy ireo noho ny fahalaviran-tany ka ny fokonolona manodidina no vahaolana haingana. Mateti-pihavy loatra ny dahalo amin’io toerana io ka miantso ny tompon’andraikitra ny fokonolona mba hametraka mpitandro filaminana hiaro ny fananan’izy ireo izay hany hivelomany ao amin’ny tanàna. Inona tokoa moa no vitan’ireto fokonolona izay tanam-polo, kanefa rehefa ao ny firaisan-kina sy ny firalahiana ka izay mahazo ny iray marary amin’ny hafa, vita foana tahaka izao vokatra izao. Tsy tena ampy anefa izany, fa mila mpiaro ny vahoaka ary ny fisian’ny poasitry ny zandary ao an-tanàna fotsiny aza dia efa mamono lolo ny jiolahy ka mampihemotra azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire