PolitiqueTatitra

Tchad : Nodimandry ny filoham-pirenena

Nodimandry ny atoandron’ny talata 20 aprily 2021 lasa teo ny filoham-pirenen’ny firenena Tchad nohon’ny ratra nahazo azy. Nitari-tafika nanohitra ireo lazaina fa mpioko izy. Maréchal Idriss Deby itno no anarany. Vao ny alatsinainy 19 aprily teo anefa no nanambara ny tompon’andraikitra tany antoerana fa lany indray ho filoham-pirenen’i Tchad tamin’ny isa 79% izy, ary saika hanomboka ny fotoam-piasany faninenina izao lavo izao. Efa fanaon’i Idriss Deby Itno hatramin’izay ny manampy ireo mpitari-tafika rehefa mafampana ny fanoherana. Nanao fanambarana araka izany ny tafika tany an-toerana fa miditra amin’ny fitondrana tetezamita ny miaramila i Tchad. Ny zanak’i Idriss Deby no hitondra indray io tetezamita io. Marihina fa tamin’ny taona 1990 no nitondra an’i Tchad tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana i Idriss Déby. Efa aman-taonany maro no nisy ny fanoherana misesisesy sy mahery vaika tany an-toerana.

Laisser un commentaire